Fandehanana any Alemana by Auréa

Fizarana ny traikefa sy ny lalana nolalovana sy nandehanana any Alemana  avy eto Madagasikara.

Fanamarihana

Marihana etoana fa izay rehetra voasoratra eto dia nalaina sy nifampizarana tamin’ny tovovavy iray izay nanaiky hizarana ny lalana nolalovany ka mety hanampy ny tanora namany hafa.

Tsy mifarana eto anefa ito fizarana ito fa hivoatra foana arak’izay fanamarihana sy fizarana azo avy amin’olon-kafa. Izany natao mba tsy hijanona ho an’olon-tokana ilay izy fa mba “generalized” ka azo ampiharina amin’ny “situation” maro samihafa.

Toy izao ara ny dingana nolalovana alohan’ny nahatongavana aty Alemana.

Fanomanana

Lycée

Tahaka ny Tanora Malagasy rehetra dia mba nanana nofinofy izany ho any  ampitan-dranomasina izany ihany koa ny tenako, ary Alemana ny nofinofiko tamin´izany, nanomboka teo dia efa nianatra ny teny alemana fa saingy tsy dia niditra lalina be satria voafetra ihany ny fotoana afaka nianarana. 

Teny aminy Oniversité 

Ny fisafidianana “filière”

Tena manandanja be ny fahaizanao misafidy filière mba afahanao misafidy ny asa sy ny zavatra tianao hatao aty, tsara raha zavatra tianao sy ny nofinofina no ataonao, fa tsy izay mahafinaritra ny hafa sy be mpanao.

Filière “Informatique” io ny filière nosafidiko rehefa niditra teny aminy oniversité, ary nanomboka teo koa aho no nitady lalana ny ho aty Alemana.  Nitohy nampiana-tena foana tamin’ny fianarana Allemand hatrany. 

Dingana voalohany: fakana mari-pahaizana amin’ny teny alemana

Fanadinana alemana tao aminy CGM

  • Tsy afaka ny handefa “demande” sy hitady zavatra atao aty allemagne isika amin’ny fotoana sady tsy misy diploma no tsy manana Certificat Allemand: izaho manokana dia naka fotsiny ny Certifica A1 tao aminy CGM,
  • CGM ihany no afaka manome ny Certificat allemand raha ho an´i Madagasikara manokana, ny ankoatr’izay dia azo lazaina fa tsy eken´ny Ambassade tahaka ny Certificat “TELC”

Mitady “Contrat” 

Misy telo ireo lalana afaka idiranao ny alemana raha toa ianao ka manana mari-pahaizana BACC farafahakeliny. Ary arakarak’izay zavatra tianao ato no misy ny “Niveau de Langue” mifandraika amin´ireo: 

  • Aupair (18-26 taona) >> Niveau A1 Minimum
  • FSJ (18-26)>> Niveau B1 Minimum
  • BFD (26+) >> Niveau B1 Minimum
  • Ausbildung ( 18+) >> Niveau B1 na B2  (matetika B2 no takiany)

Raha ho ahy manokana dia ny Aupair no lalana nosafidiako satria nanana ny mari-pahaizana A1 fotsiny aho. 

Inona moa ny atao hoe “Aupair”?

Ny AuPair dia fifanakalozana ara kolotsaina eo amin’ny fianakaviana iray sy olona iray izay samihafa firenena. Mandritry ny fotoana anaovana ny Aupair dia mifanampy amin’ny fianakaviana amin´ny fitazaina ny zanany sy ny fikarakarana ny tokatrano ary manana fahafahana mianatra teny alemana ihany koa. Mandray “argent de poche” ihany koa ny Ankizy izay manao Aupair ary ny “Famille d’acceuil” no miantoka ny Cours de Langue.

Maro ireo Site afahana Mahita Famille d´Acceuil 

  • Aupair.com
  • Aupairworld
  • Groupe Facebook
  • sns.

Miankina aminy fahaizanao mandresy lahatra aminy alalan´ny profil sy ny CV no hahamora ahitanao famille d’accueil. Fanazavana fanampiny dia azonao jerena sy vakivakiana ao anatin´ireo tranokala ambony ireo.

Demande de visa / Fangatahana visa 

Raha efa milamina ny fifanarahana amin’ny Famille d´acceuil dia afaka miroso amin’ny fangataha ny Visas ianao: ny antotan-taratasy rehetra ilaina dia azonao jerena ao ao amin’ny tranokalan’ny Masoivohon’ny Alemana ao Antananarivo [TBA].

Ny fangatahana visa ho an´ny alemana dia misy entretien kely atao eny amin’ny masoivoho izay anontaniana anao ny mombamomban´ny Famille d´acceuille sy ny zavatra ho ataonao any. Matetika dia amin’ny teny alemana io entretien io ka tsara ny mihomana mialoha.

Fikarakarana ny dia

Raha toa ka voaray ny visa dia tsara raha mihomana ho amin’ny fandehanana. Aza adino ny mitondra ireo taratasy rehetra mety ilainao aty, ary asio fandikan-teny avokoa ireo taratasy teny frantsay sy gasy. 

Ireo Zavatra azo atao ao aorinan´ny Aupair

Betsaka ny safidy azonao arahina rehefa vita soa amantsara  ny Aupair. Ohatra fotsiny:

  • FSJ (18-26) >> Niveau B1 Minimum
  • Ausbildung (18+) Niveau B1 na B2  (matetika B2)
  • Etude Universitaire (tsy mifidy taona)

Ho ahy manokana dia nifidy ny Ausbildung nohon´ny antony roa lehibe 

  • Diplomako tsy reconnu : Raha diploma Bacc fotsiny ny ananao avy any Madagasikara dia tsy afaka manohy mivantana ny fianarana eny aminy Oniversité ianao satria tsy reconnue ho Bacc ny diploma Bacc antsika fa sahala ny BEPC raha aty Allemagne
  • Raha tsy misy mpanohana ara-bola ihany koa ianao rehefa maniry hanohy fianarana eny aminy Oniversite dia mety hanahirana satria ny mpianatry ny Oniversite avy aminy firenena hafa dia tsy imaintsy mandoha saram-pianarana sy ny Kaution, sns

Fitadiavana Ausbildung

[TBA]

Manomana ny fanadianana alemana

  • Raha maniry ny Anao Ausbildung avy Hatrany ianao ao aorinan´ny Aupair dia tsara raha toa ka manonana avy hatrany ny maka Certificat de langue B1 na B2 mandritry ny Aupair, manamafy sy manome tosika ny demande-nao ny fanananao certificat de langue
  • Fisafidianana ny Ausbildung Izay atao:
    • Maro ireo karazana Ausbildung izay afaka ataona >> afaka jerenao amin´ity Rohy Ity ausbildung.de
    • Raha toa sahirana aminy fisafidianana Ausbildung ihany koa dia maro ireo tranokala manome test en ligne afahanao mahafantatra ny Ausbildung mety amina >> ohatra amin´ity Rohy azubyio.de

Mandefa fangatahana

Ireo dossier ilaina rehefa mandefa demande Ausbildung

  • CV
    • Tsara raha mirafitra tsara araka ny Norme ny CV aty allemagne my firafitrin´ny CV anao. Izay zavatra tena nataonao no soratana fa aza mamorona sy mandainga.
  • Lettre de motivation
    • Ny lettre de Motivation kosa indray dia tsara raha toa ka maneho fa tena liana amin´ilay Ausbildung sy Ilay orinasa ianao amin´izay samy mahazo tombotsoa ny ianao sy ny orinasa. 
  • Certificat Allemand
  • Diplome Bacc (tsara raha ilay efa Reconnue no atao)
  • Taratasy fanamarinana maro samihafa 

Ireo taratasy rehetra Izay alefanao tena tsara indrindra raha atao aminy Teny Allemand avokoa. 

Misy ihany koa ny tranokalan’ny orinasa izay ahafahanao mandefa ny demande nao amin’ny alalan´ny famenoana formulaire en ligne, azonao atao ihany koa anefa hoe alefa mailaka ny fangatahanao. 

Ireo rohy afahanao mitady Ausbildung: 

  • Ausbildung.de
  • Google
  • Azubiyio.de

Fanomanana ny Entretien

Misy karazany Telo ny entretien raha eto allemagne manokana no resahina 

  • Telephonegespräche: Izay hiantsoan´ny orinasa anao laharan’ny findainao ahalalany misimisy ny mombamomba anao eo aminy 15 minitra eo raha ela indrindra iny 
  • Videogespräche. Asainy anao amin’ny appel Video en ligne sahalan´ny Zoom na Skype, afahanao manao ny entretien sy manaseo ny traikefanao (15- 60 minitra eo ny faharetany)
  • Persönliche gespräche: ilay Entretien mivantana izay ianao mihintsy no tonga any amin’ilay orinasa mety haharitra ela mety ho fohy kely ihany, arakarak’ilay orinasa io.

Rehefa hiatrika ireo entreiten ireo dia tsara raha mihomana foana: mahay maneho tsara sy traikefanao ary maneho fa tena mahalala tsara ny orinasa andefasanao ny demande nao.

Mety hisy iany koa ny Test kely mandritran´ny entretien : 

  • Test de Langue   
  • Test de Connaissance generale 
  • Test mahakasika ny Ausbildung izay ho ataona.

Rehefa vita ka manotany Izy ireo hoe manana fanotaniana ve, dia tena tsara manomana fanotaniana 2 na 3 ianao afahanao mba maneho fa tena liana ianao, ireo karazana fanotaniana ireo dia afaka itanao aminy Internet. [TBA]

Tsara ihany koa ny mandefa E-Mail fisaorana rehefa ao aorinan´ny Entretien 

Eo am-pianadrasana ihany koa ianao dia afaka mamerina manotany raha toa ka ela loatra ny fiavalian´ilay Izy : >> 2 na telo herin´Andro 

  • Mahazo Ausbildung
    • Rehefa azonao ny Contrat Ausbildung dia ny Dingana voalohany mila ataonao haingana indrindra dia ny manavao ny Titre de sejours-nao. Tsy afaka manomboka Ausbildung ny olona iray raha toa ka tsy manana titre de sejours vaovao.

Maro ihany koa ireo orinasa tsy miantoka toerana hipetrahana ka tsara raha toa ka mitady trano mialoha .

  • Mandritran´ny Ausbildung :
    • Ny Ausbildung dia mizara roa mianatra ny Miasa (manana toerana hiasana hianao ary manana toerana hianarana) misy anefa karazana orinasa tsy miantoka toerana fianarana ka ianao manokana no mila mandefa demande any am-pianarana 
    • Maharitra 2 hatramin´ny 3 taona sy tapany ny faharetan´ny Ausbildung, mandritran´io fotoana io dia misy fanadinana indroa mila ataonao afahanao mahazo ny Certificat Ausbildung 
    • Ny vola Raisianao ihany kao rehefa Ausbildung dia arakaraka ny orinasa manodidina ny 600 hatramin´ny 1500 euro eoeo arakaraka ny safidinao ihany koa. 
    • Tsy mitaky experience professionel lehibe ny fanombohana ny Ausbildung nefa raha toa ka manana ianao dia tombotsoa ho anao izany, 
    • Mahaiza misafidy tsara izay Ausbildung ho atao satria mety miankina amin´iny ny asa ho ataonao any aoriana.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *